Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 3
Jesoa nanasitrana ilay lehilahy maty tànana sy ny marary hafa koa - Ny nanendren'i Jesoa ny Apostoly - Jesoa mamaly ny mpanora-dalàna - Iza no reniny sy rahalahiny?

       1Indray mandeha koa dia niditra tao amin'ny sinagoga Jesoa, ary nisy lehilahy anankiray maty tànana an'ila tao. 2Ary nizaha taratra azy ny sasany na hanasitrana an'io amin'ny sabata izy na tsia, mba hiampangany azy. 3Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy maty tànana: Mitsangàna etsy afovoany. 4Ary hoy koa izy tamin'ny olona: Inona no mety hatao amin'ny sabata, ny soa sa ny ratsy ny mamonjy aina sa ny mamono? Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. 5Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana izy, sy nalahelo noho ny hajamban'ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
       6Ary lasa nivoaka ny Farisiana, ka niaraka tamin'izay dia niara-nihevitra tamin'ny Herodiana hanao izay hahavoazana azy. 7Fa niala teo Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin'ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka azy. 8Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin'i Jordany, ary tamin'ny tany manodidina an'i Tira sy Sidòna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. 9Ary nilaza tamin'ny mpianany izy mba hanomana sambo kely hiandry azy eo noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao dia poritin'ny olona izy. 10Fa nahasitrana olona betsaka izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. 11Ary raha mahita azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany, ka miantso hoe: 12Hianao no Zanak'Andriamanitra; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.
       13Ary niakatra tamin'ny tendrombohitra anankiray izy, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. 14Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, 15sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. 16Ary Simona nomeny fanampin'anarana hoe Piera; 17ary Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahin'i Jakoba, izay nomeny fanampin'anarana koa hoe Boaneriesy, izany hoe zana-baratra; 18ary Andre, sy Filipo, sy Bartelemy, sy Matio, sy Tomà, sy Jakoba zanak'i Alfe, sy Tade, sy Simona Zeloty, 19ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy.
       20Niverina nankany an-trano izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. 21Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona azy, fa hoy izy ireo: Efa very saina izy. 22Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: Efa azon'i Belzeboba izy, ary ny filohan'ny demony no androahany ny demony. 23Nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: Hataon'i Satana ahoana no fandroaka an'i Satana? 24Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; 25ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: 26koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satana, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. 27Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon'ny mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. 28Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak'olombelona amin'ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an'Andriamanitra; 29fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. 30Satria hoy izy ireo hoe: Manana fanahy maloto izy.
       31Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy. 32Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe: Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. 33Fa novaliany hoe: Iza moa no reniko sy rahalahiko? 34Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko; 35fa na iza na iza manao ny sitra-pon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. >