Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 4
Ny fanoharana amin'ny vary afafy - Ny fanoharana amin'ny jiro sy ny fanoharana hafa maro - Tony ny tafio-drivotra.
1Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin'ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina. 2Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana izy, ka nilaza tamin'ny fampianarany hoe: 3Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, 4ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. 5Ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina; 6fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian'ny hainandro izy no tsy latsa-paka ka maina. 7Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8Ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny. 9Ary hoy izy: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.
10Nony efa nitokana izy, dia nanontany azy ny amin'ny fanoharana ireo momba azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. 11Ary hoy izy taminy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana, 12mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony. 13Dia hoy izy: Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? 14Ny mpamafy dia mamafy ny teny. 15Ireto eo amoron-dàlana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. 16Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin'ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; 17nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18Ireo mandray ny voa ao anatin'ny tsilo no izay mihaino ny teny; 19fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin'ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. 20Ary ireo mandray ny voa amin'ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telo-polo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.
21Ary hoy koa izy taminy: Moa entina hapetraka ao ambanin'ny vata famarana na ambanin'ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin'ny fanaovan-jiro va izy? 22Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. 23Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 24Dia hoy indray izy: Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. 25Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. 26Ary hoy koa izy: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin'ny tany, 27ka izy matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; 28fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin'ny salohiny no farany. 29Ary rahefa vokatra dia jinjana miaraka amin'izay, satria tonga ny taom-pijinjana.
30Ary hoy indray izy: Amin'inona no hampitahantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? 31Tahaka ny voatsinapy izy, izay kely indrindra amin'ny voa rehetra ambonin'ny tany raha vao afafy, 32fa tonga lehibe indrindra amin'ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon'ny voro-manidina ialofana ny alokalony. 33Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain'izy ireo. 34Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
35Androtr'izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano. 36Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao tao an-tsambo kely Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. 37Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. 38Fa Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? 39Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. 40Ary hoy izy tamin'izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy? >