Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 4, 35-41.

       <35Androtr'izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano. 36Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao tao an-tsambo kely Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. 37Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. 38Fa Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra รด! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? 39Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. 40Ary hoy izy tamin'izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy? >