Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 4, 26-34,
<26Ary hoy koa izy: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin'ny tany, 27ka izy matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; 28fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin'ny salohiny no farany. 29Ary rahefa vokatra dia jinjana miaraka amin'izay, satria tonga ny taom-pijinjana.
       30Ary hoy indray izy: Amin'inona no hampitahantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? 31Tahaka ny voatsinapy izy, izay kely indrindra amin'ny voa rehetra ambonin'ny tany raha vao afafy, 32fa tonga lehibe indrindra amin'ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon'ny voro-manidina ialofana ny alokalony. 33Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain'izy ireo. 34Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo. >