Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 5
Ny demony voaroaka ho ao amin'ny kisoa - Ilay vehivavy nitsi-drà - Ny zanakavavin'i Jaïra.
1Nony tafita ny ranomasina izy ireo dia tonga tao amin'ny tanin'ny Geraseny; 2ka vao niala tao an-tsambo kely izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona azy. 3Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin'ny gadra aza, 4fa matetika no nafatotra tamin'ny gadra sy tamin'ny rojo vy ny tongony aman-tànany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. 5Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin'ny vato. 6Fa nony nahatazan-davitra an'i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, 7ary niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona izaho sy hianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin'ny anaran'Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy, 8satria Jesoa efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. 9Ary nanontany azy izy nanao hoe: Iza no anaranao? Dia novaliany hoe: Lejiona no anarako, fa betsaka izahay. 10Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.
11Ary teo akaikin'ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, 12ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin'ny kisoa mba hiditra ao aminy. 13Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin'ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao tamin'ny ranomasina. 14Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. 15Nankany amin'i Jesoa izy ireo, ary nahita an'ilay azon'ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terý. 16Nony nolazain'izay nahita tamin'izy ireo izay nahazo ilay azon'ny demony sy ny kisoa, 17dia nihanta tamin'i Jesoa izy ireo, mba hiala amin'ny taniny. 18nony niakatra teo an-tsambo kely izy, dia niangavy taminy ilay azon'ny demony mba hanaraka azy; 19fa tsy navelany izy, fa hoy izy taminy: Andeha ihany mody any an-tranonao any amin'ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao. 20Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapaoly ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.
21Ary rahefa niondrana tamin'ny sambo kely Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy. 22Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, 23sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. 24Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy.
25Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin'ny folo taona, 26izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin'ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nony nahare ny amin'i Jesoa izy, dia nisisika tamin'ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, 28fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho. 29Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. 30Teo no ho eo ihany dia fantatr'i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin'ny tenany, ka nitodika ny vahoaka izy nanao hoe: Iza no nanendry ny fitafiako? 31Ary hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? 32Dia nijerijery manodidina azy izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. 33Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. 34Ary hoy izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin'ny aretinao.
35Raha mbola niteny Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga ka nanao taminy hoe: Maty ny zanakao vavy, ka nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? 36Fa nony nandre izany teny izany Jesoa dia nilaza tamin'ilay lehiben'ny sinagoga hoe: Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany. 37Ary tsy nisy navelany hanaraka azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin'i Jakoba. 38Ary nony tonga tany an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan'i Jesoa. 39Ary niditra izy ka niteny tamin'ireo hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40Dia nihomehy azy fatratra ny olona; fa izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'ireo nanaraka azy niditra tao amin'izay niamparan-drazazavavy, 41ary nandray ny tànany sy nilaza taminy hoe: Talita, komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangàna. 42Niaraka tamin'izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin'ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. 43Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr'olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy. >