Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 5, 21-43

       <21Ary rahefa niondrana tamin'ny sambo kely Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy. 22Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, 23sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. 24Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy.
       25Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin'ny folo taona, 26izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin'ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nony nahare ny amin'i Jesoa izy, dia nisisika tamin'ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, 28fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho. 29Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. 30Teo no ho eo ihany dia fantatr'i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin'ny tenany, ka nitodika ny vahoaka izy nanao hoe: Iza no nanendry ny fitafiako? 31Ary hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? 32Dia nijerijery manodidina azy izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. 33Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. 34Ary hoy izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin'ny aretinao.
       35Raha mbola niteny Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga ka nanao taminy hoe: Maty ny zanakao vavy, ka nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? 36Fa nony nandre izany teny izany Jesoa dia nilaza tamin'ilay lehiben'ny sinagoga hoe: Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany. 37Ary tsy nisy navelany hanaraka azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin'i Jakoba. 38Ary nony tonga tany an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan'i Jesoa. 39Ary niditra izy ka niteny tamin'ireo hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40Dia nihomehy azy fatratra ny olona; fa izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'ireo nanaraka azy niditra tao amin'izay niamparan-drazazavavy, 41ary nandray ny tànany sy nilaza taminy hoe: Talita, komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangàna. 42Niaraka tamin'izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin'ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. 43Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr'olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy. >