Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 7
Ny amin'ny fanaon-drazana - Ilay vehivavy kananeana - Ilay lehilahy sady marenina no moana.

       1Ary niangona teo amin'i Jesoa ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, 2ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. 3Fa ny Farisiana sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tànany, fa mitana ny fanaon-drazana izy; 4ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. 5Ka dia nanontany azy ny Farisiana mbamin'ny mpanora-dalàna nanao hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin'ny tànana tsy misasa? 6Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian'Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony, fa manalavitra ahy ny fony; 7koa foana ny ivavahan'ireo amiko satria didin'olombelona no ataony fampianarana. 8Ny didin'Andriamanitra foinareo, fa ny fanaon'ny olona kosa tànanareo, toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa hianareo. 9Dia hoy izy taminy: Marina fa nofoananareo tokoa ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. 10Fa hoy Moizy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. 11Fa hoy kosa hianareo: Raha misy milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony ho entiko manampy anao dia efa korbana izany hoe: fanatitra ho an'Andriamanitra, 12dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy na ny reniny intsony, 13ka dia foananareo amin'ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin'Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo. 14Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy hianareo rehetra, ka mahafantara. 15Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. 16Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.
       17Nony niala teo amin'ny vahoaka izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian'ny mpianany ny amin'ilay fanoharana, 18ary hoy izy taminy: Hay! hianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. 20Fa izay mivoaka avy amin'ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; 21satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no ihavian'ny sain-dratsy: dia ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, 22ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; 23izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
       24Nony niala teo izy dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery. 25Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. 26Jentily avy amin'ny firenena Sirofenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. 27Fa hoy izy taminy: Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa. 28Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sobintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany. 29Ary hoy izy taminy: Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin'ny zanakao vavy ny demony. 30Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan'ny demony.
       31Niala indray tany amin'ny faritanin'i Tira Jesoa, ary namaky ny faritanin'i Sidona ka tonga tany amoron'ny ranomasin'i Galilea, amin'ny faritanin'i Dekapaoly. 32Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin'izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tànana. 33Dia nitondra azy niavaka tamin'ny vahoaka izy, ka nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany sy nanisy rora ny lelany. 34Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: Efeta, izany hoe, misokafa. 35Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran'ny lelany, ka niteny tsara izy. 36Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin'iza na amin'iza; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; 37sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina izy ary nampiteny ny moana. >