Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 7, 14-23.
<14Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy hianareo rehetra, ka mahafantara. 15Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. 16Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.
       17Nony niala teo amin'ny vahoaka izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian'ny mpianany ny amin'ilay fanoharana, 18ary hoy izy taminy: Hay! hianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. 20Fa izay mivoaka avy amin'ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; 21satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no ihavian'ny sain-dratsy: dia ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, 22ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; 23izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy. >