Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 7, 24-30.
<24Nony niala teo izy dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery. 25Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. 26Jentily avy amin'ny firenena Sirofenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. 27Fa hoy izy taminy: Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa. 28Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sobintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany. 29Ary hoy izy taminy: Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin'ny zanakao vavy ny demony. 30Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan'ny demony. >