Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 7, 31-37.

       <31Niala indray tany amin'ny faritanin'i Tira Jesoa, ary namaky ny faritanin'i Sidona ka tonga tany amoron'ny ranomasin'i Galilea, amin'ny faritanin'i Dekapaoly. 32Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin'izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tànana. 33Dia nitondra azy niavaka tamin'ny vahoaka izy, ka nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany sy nanisy rora ny lelany. 34Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: Efeta, izany hoe, misokafa. 35Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran'ny lelany, ka niteny tsara izy. 36Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin'iza na amin'iza; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; 37sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina izy ary nampiteny ny moana. >