Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-8

1 Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina, dia niantso ny mpianany izy ka nanao taminy hoe:

2 Mampalahelo ahy ity vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-kohanina; 3 ary raha hampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dàlana, fa avy lavitra ny sasany. 4 Dia hoy ny mpianany namaly azy: Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an'efitra? 5 Ary izy nanontany azy hoe: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy izy ireo. 6 Dia nasainy hipetraka tamin'ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakiny, sy nomeny hozarain'ny mpianany, ary nozarainy tamin'ny vahoaka. 7 Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. 8 Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. 9 Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny. 10 Dia niondrana an-tsambo kely niaraka tamin'izay izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin'ny faritanin'i Dalmanotà.

11 Ary nanatona azy ny Farisiana, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy azy. 12 Dia nisento mafy izy ka nanao hoe: Ahoana no itadiavan'ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity. 13 Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray izy nankeny am-pita. 14 Ary nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.

15 Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: Mitandrema tsara hianareo fandrao azon'ny lalivain'ny Farisiana sy lalivain'i Heroda. 16 Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: Noho isika tsy manana mofo izay. 17 Fantatr'i Jesoa ny heviny ka hoy izy taminy: Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va hianareo? Donto ny fonareo? 18 Mana-maso fa tsy mahita va hianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary mahatadidy va hianareo? 19 Raha nizara ny mofo dimy tamin'ny olona dimy arivo aho, firy no sobiky feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Roa ambin'ny folo, hoy ireo taminy. 20 Ary raha nizara ny mofo fito tamin'ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Fito, hoy ireo taminy. 21 Ka nahoana ary, hoy izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany hianareo? 22 Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy.

23 Dia noraisin'i Jesoa ny tànan'ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tànana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. 24 Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin'ny hazo. 25 Dia nametrahany tànana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. 26 Ary nasain'i Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin'ny olona ao an-tanàna. 27 Avy ao Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin'ny vohitra manodidina an'i Sezarean'i Filipo, ary teny an-dàlana dia nanontany ny mpianany izy nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa aho?

28 Ary namaly azy ireo, nanao hoe: Joany Batista, hoy ny sasany; Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin'ny mpaminany, hoy kosa ny sasany. 29 Fa hianareo kosa, manao ahy ho iza? hoy izy tamin'izy ireo. Dia namaly Piera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. 30 Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza azy na amin'iza na amin'iza. 31 Tamin'izay nambarany tamin'izy ireo fa ny Zanak'olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,

32 sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin'i Piera nitanila izy ka noteneniny mafy. 33 Fa nihodina nijery ny mpianany izy, ary niteny mafy an'i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an'Andriamanitra hianao, fa araka ny olombelona. 34 Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin'ny mpianany ka nilazany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka ahy. 35 Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. 36 Inona no soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 37 Sa inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny fanahiny? 38 Izay ho menatra ahy sy ny teniko amin'ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak'olona rahefa avy amin'ny voninahitry ny Rainy izy otronin'ny anjely masina. 39 Dia hoy koa izy: Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny voninahitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1979