Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 8, 1-10.
Ny nampitomboan'i Jesoa ny mofo fito - Ny namaliany ny Farisiana - Ilay jamba tao Betsaida - Piera nieky an'i Jesoa ho Kristy - Ny fahafoizan-tena.

       1Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina, dia niantso ny mpianany izy ka nanao taminy hoe: 2Mampalahelo ahy ity vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-kohanina; 3ary raha hampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dàlana, fa avy lavitra ny sasany. 4Dia hoy ny mpianany namaly azy: Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an'efitra? 5Ary izy nanontany azy hoe: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy izy ireo. 6Dia nasainy hipetraka tamin'ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakiny, sy nomeny hozarain'ny mpianany, ary nozarainy tamin'ny vahoaka. 7Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. 8Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. 9Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
       10Dia niondrana an-tsambo kely niaraka tamin'izay izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin'ny faritanin'i Dalmanotà. >