Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 8, 11-13.
<11Ary nanatona azy ny Farisiana, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy azy. 12Dia nisento mafy izy ka nanao hoe: Ahoana no itadiavan'ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity. 13Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray izy nankeny am-pita. >