Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 8, 14-21.
<14Ary nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. 15Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: Mitandrema tsara hianareo fandrao azon'ny lalivain'ny Farisiana sy lalivain'i Heroda. 16Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: Noho isika tsy manana mofo izay. 17Fantatr'i Jesoa ny heviny ka hoy izy taminy: Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va hianareo? Donto ny fonareo? 18Mana-maso fa tsy mahita va hianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary mahatadidy va hianareo? 19Raha nizara ny mofo dimy tamin'ny olona dimy arivo aho, firy no sobiky feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Roa ambin'ny folo, hoy ireo taminy. 20Ary raha nizara ny mofo fito tamin'ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Fito, hoy ireo taminy. 21Ka nahoana ary, hoy izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany hianareo? >