Toko faha-9
2
Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany.
3
Ary niseho tamin'izy ireo Elia sy Moizy, sady niresaka tamin'i Jesoa.
4
Dia niteny Piera ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia.
5
Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
6
Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy izy.
7
Niaraka tamin'izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa Jesoa irery sisa teo aminy.
8
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra vao hitany, mandrapitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
9
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin'izay hevitr'izany hoe, mitsangana amin'ny maty.
10
Ary nanontany azy izy ireo nanao hoe: Ahoana ary no ilazan'ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha Elia?