Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 9, 30-37.
<30fa nampianatra ny mpianany izy ary nanao taminy hoe: Hatolotra eo an-tanan'ny olombelona ny Zanak'olona, dia hovonoiny, fa hitsangana amin'ny maty izy raha afaka hateloana aorian'ny hahafatesany. 31Tsy fantatr'izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana azy koa.
       32Dia tonga tany Kafarnaoma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany Jesoa nanao hoe: Inona izany niadianareo hevitra tany an-dàlana izany? 33Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin'izay ho lehibe indrindra amin'izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dàlana. 34Dia nipetraka izy ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon'ny olona rehetra. 35Ary nandray zaza anankiray izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy izy tamin'ny mpianany hoe: 36Na iza na iza handray anankiray amin'ny zazakely toy itony amin'ny anarako, dia handray ahy, ary izay mandray ahy dia tsy mandray ahy, fa izay naniraka ahy. 37Ary niteny Joany ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin'ny anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay. >