Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko voalohany

1 Filazana ny razan'i Jesoa-Kristy, Zanak'i Davida, Zanak'i Abrahama.

2 Abrahama niteraka an'Isaaka; Isaaka niteraka an'i Jakoba; Jakoba niteraka an'i Jodà mirahalahy avy; 3 Joda niteraka an'i Faresa sy Zara tamin'i Tamara; Faresa niteraka an'i Esrona; Esrona niteraka an'i Arama; 4 Arama niteraka an'i Aminadaba; Aminadaba niteraka an'i Naasona; Naasona niteraka an'i Salmona; 5 Salmona niteraka an'i Booza tamin'i Rahaba; Booza niteraka an'i Obeda tamin'i Rota; Obeda niteraka an'i Jese; Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. 6 Davida mpanjaka niteraka an'i Salomona tamin'ilay vadin'i Oria; 7 Salomona niteraka an'i Roboama; Roboama niteraka an'i Abiasa; Abiasa niteraka an'i Asà; 8 Asà niteraka an'i Josafata; Josafata niteraka an'i Jorama; Jorama niteraka an'i Oziasa; 9 Oziasa niteraka an'i Joatama; Joatama niteraka an'i Akaza; Akaza niteraka an'i Ezekiasa; 10 Ezekiasa niteraka an'i Manase; Manase niteraka an'i Amona; Amona niteraka an'i Josiasa; 11 Josiasa niteraka an'i Jekoniasa mirahalahy avy, tamin'ny andro nifindrana tany Babilona. 12 Ary rahefa nifindra tany Babilona, Jekoniasa niteraka an'i Salatiela; Salatiela niteraka an'i Zorobabela; 13 Zorobabela niteraka an'i Abioda; Abioda niteraka an'i Eliakima; Eliakima niteraka an'i Azora; 14 Azora niteraka an'i Sadoka; Sadoka niteraka an'i Akima; Akima niteraka an'i Elioda; 15 Elioda niteraka an'i Eleazara; Eleazara niteraka an'i Matana; Matana niteraka an'i Jakoba; 16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa vadin'i Maria izay niteraka an'i Jesoa, ilay atao hoe Kristy. 17 Koa ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida, dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babilona, dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babilona ka hatramin'ny Kristy, dia taranaka efatra ambin'ny folo.

18 Ary toy izao no nahaterahan'ny Kristy: Maria reniny dia efa fofombadin'i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanan'anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy.

19 Ary Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy, ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21 ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. 22 Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe:

23 Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe, amintsika Andriamanitra. 24 Ary rahefa nahatsiaro tamin'ny torimaso Josefa, dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny, 25 ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1039