Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 1, 1-25
Ny razan'i Jesoa-Kristy sy ny nahaterahany.
1Filazana ny razan'i Jesoa-Kristy, Zanak'i Davida, Zanak'i Abrahama. 2Abrahama niteraka an'Isaaka; Isaaka niteraka an'i Jakoba; Jakoba niteraka an'i Jodà mirahalahy avy; 3Joda niteraka an'i Faresa sy Zara tamin'i Tamara; Faresa niteraka an'i Esrona; Esrona niteraka an'i Arama; 4Arama niteraka an'i Aminadaba; Aminadaba niteraka an'i Naasona; Naasona niteraka an'i Salmona; 5Salmona niteraka an'i Booza tamin'i Rahaba; Booza niteraka an'i Obeda tamin'i Rota; Obeda niteraka an'i Jese; Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. 6Davida mpanjaka niteraka an'i Salomona tamin'ilay vadin'i Oria; 7Salomona niteraka an'i Roboama; Roboama niteraka an'i Abiasa; Abiasa niteraka an'i Asà; 8Asà niteraka an'i Josafata; Josafata niteraka an'i Jorama; Jorama niteraka an'i Oziasa; 9Oziasa niteraka an'i Joatama; Joatama niteraka an'i Akaza; Akaza niteraka an'i Ezekiasa; 10Ezekiasa niteraka an'i Manase; Manase niteraka an'i Amona; Amona niteraka an'i Josiasa; 11Josiasa niteraka an'i Jekoniasa mirahalahy avy, tamin'ny andro nifindrana tany Babilona. 12Ary rahefa nifindra tany Babilona, Jekoniasa niteraka an'i Salatiela; Salatiela niteraka an'i Zorobabela; 13Zorobabela niteraka an'i Abioda; Abioda niteraka an'i Eliakima; Eliakima niteraka an'i Azora; 14Azora niteraka an'i Sadoka; Sadoka niteraka an'i Akima; Akima niteraka an'i Elioda; 15Elioda niteraka an'i Eleazara; Eleazara niteraka an'i Matana; Matana niteraka an'i Jakoba; 16ary Jakoba niteraka an'i Josefa vadin'i Maria izay niteraka an'i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.
17Koa ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida, dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babilona, dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babilona ka hatramin'ny Kristy, dia taranaka efatra ambin'ny folo.
18Ary toy izao no nahaterahan'ny Kristy: Maria reniny dia efa fofombadin'i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanan'anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy. 19Ary Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy, ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
22Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe: 23Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe, amintsika Andriamanitra. 24Ary rahefa nahatsiaro tamin'ny torimaso Josefa, dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny, 25ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany. >