Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 10
Ny niantsoan'i Jesoa ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy sy nanirahany azy hitory teny.

       1Ary niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. 2Ary ireto no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia Simona izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, 3Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikàna, Jakoba zanak'i Alfe sy Tade, 4Simona ilay Kananeana, ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy.
       5Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay niarahin'i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny làlana mankany amin'ny Jentily, ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritana, 6fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'Israely. 7Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana. 9Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin'ny fehin-kibonareo, 10na kitapom-batsy eny an-dàlana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. 11Ary amin'izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. 12Ary raha vao miditra ao amin'ny trano hianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin'ity trano ity anie ny fiadanana; 13ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. 14Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin'izany trano izany, na amin'izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo. 15Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny hatao amin'izany tanàna izany.
       16Indro izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava hianareo, ary mbà tsotra toy ny voromailala. 17Mitandrema, fa hotorin'ny olona amin'ny fitsarany hianareo, sy hokapohiny ao amin'ny sinagogany; 18ary hoentiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin'ny jentily. 19Fa raha hatolony hianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; 20satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny ao aminareo. 21Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin'ny rainy aman-dreniny ka hamono azy; 22ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 23Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray hianareo, dia mandosira any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan'Israely hianareo mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.
       24Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; 25fa ampy ho an'ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan'ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: 26koa aza matahotra azy hianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; 28ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. 29Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory raha tsy avelan'ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. 31Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro hianareo. 32Ary amin'izany izay rehetra hanaiky ahy eo anatrehan'ny olona dia ho ekeko izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; 33ary izay handà ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra.
       34Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eo an-tany aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; 35fa tonga aho mba hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy; 36ary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony. 37Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. 38Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy. 39Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
       40Izay mandray anareo, mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy. 41Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina; 42ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. >