Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 10, 37-42
<37Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. 38Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy. 39Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
       40Izay mandray anareo, mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy. 41Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina; 42ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. >