Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-10

7 Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana. 9 Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin'ny fehin-kibonareo, 10 na kitapom-batsy eny an-dàlana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. 11 Ary amin'izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. 12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano hianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin'ity trano ity anie ny fiadanana; 13 ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1377