Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 10, 26-33
<26koa aza matahotra azy hianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; 28ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. 29Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory raha tsy avelan'ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. 31Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro hianareo. 32Ary amin'izany izay rehetra hanaiky ahy eo anatrehan'ny olona dia ho ekeko izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; 33ary izay handà ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra. >