Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 11, 11-15
<11Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin'izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra no lehibe noho izy.
12Ary hatramin'ny andron'i Joany Batista no ho mankaty, dia azo an-keriny ny fanjakan'ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
13Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin'i Joany,
14ary raha mety mino hianareo, dia izy no ilay Elia ho avy.
15Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino. >