Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 11, 25-30
<25Tamin'izany andro izany, dia hoy indray Jesoa: Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa. 26Eny, misaotra aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. 27Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy. 28Mankanesa atý amiko hianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho. 29Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo hianareo; 30fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako. >