Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-12

1 Tamin'izany andro izany Jesoa namaky ny tanimbary tamin'ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;

2 fa nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin'ny sabata. 3 Ary hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, 4 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Sa tsy novakinareo ao amin'ny Lalàna va fa amin'ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? 6 Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. 7 Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo; 8 satria tompon'ny sabata aza ny Zanak'olona. 9 Nony niala teo izy dia niditra tao amin'ny sinagogan'ireo,

10 ary nisy lehilahy maty tànana teo, ka hoy ireo nanontany an'i Jesoa: Moa mety va ny manasitrana amin'ny andro sabata? Mba hiampangany azy no nanaovan'izy ireo an'izany. 11 Dia izao no navaliny azy: Iza moa aminareo no manana ondry iray latsaka an-kady amin'ny sabata ka tsy handray azy sy hanatsoaka azy ao? 12 Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany, azo atao ny manao soa amin'ny sabata. 13 Ary tamin'izay dia hoy izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana tahaka ny ilany. 14 Ary lasa nivoaka ny Farisiana ka niara-nioko ny amin'izay hahafaty azy. 15 Fa nahalala izany Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin'ireny; 16 nefa norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana azy, 17 mba ho tanteraka ny teny nolazain'Izaia mpaminany hoe: 18 Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahan'ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin'ny jentily izy. 19 Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dàlana; 20 tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; 21 ary ny jentily hitoky amin'ny anarany. 22 Tamin'izay nisy lehilahy azon'ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita. 23 Gaga avokoa ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa tsy ity va no Zanak'i Davida? 24 Fa nony nandre izany ny Farisiana dia nanao hoe: Tsy misy androahan'ilay iny ny demony afa-tsy Belzeboba lehiben'ny demony. 25 Fantatr'i Jesoa anefa ny heviny ka hoy izy: Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano. 26 Raha Satana no mandroaka an'i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no androahako ny demony, iza kosa no androahan'ny zanakareo azy? Koa amin'izany, izy ireo ihany no hitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra ihany kosa no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. 29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha izay mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy momba ahy, manohitra ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. 31 Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota rehetra sy amin'ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. 32 Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin'ity fiainana ity na amin'ny ho avy. 33 Koa lazao fa tsara ny hazo sy ny voany; na hoe: ratsy ny hazo sy ny voany, satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34 Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava. 35 Ny olona tsara fanahy mamoaka zava-tsoa avy amin'ny rakitra soa ao am-pony; ary ny olona ratsy fanahy mamoaka zava-dratsy avy amin'ny rakitra ratsy ao am-pony. 36 Ary lazaiko aminareo, fa amin'ny andro fitsarana, dia hampamoahina ny olona amin'izay teny foana rehetra nolazainy, 37 fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. 38 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana namaly azy hoe: Tompo, mba ta-hahita famantarana avy aminao izahay. 39 Fa namaly izy ka nanao hoe: Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity, fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an'i Jonasa mpaminany izy; 40 fa tahaka ny nitoeran'i Jonasa hateloan'andro sy hateloan'alina tany an-kibon'ny hazandrano lehibe no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany koa. 41 Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian'i Jonasa teny; nefa indro misy lehibe noho Jonasa eto. 42 Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin'ny faravazan-tany izy ka nankatý hihaino ny fahendren'i Salomona, nefa indro misy lehibe noho Salomona eto. 43 Rahefa nivoaka avy amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha eny amin'ny tanety maina hitady fialan-tsasatra; fa tsy mahita izy, 44 ka hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy ka hitany fa foana sy voadio ary voaravaka ny trano, 45 dia mandeha izy maka fanahy fito hafa ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra izy ireo ka monina ao, ary ny faran'izany olona izany no ratsy noho ny voalohany. Dia ho tahaka izany koa no hanjò ity taranaka ity. 46 Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, 47 ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady anao. 48 Fa izao no navaliny an'ilay nilaza taminy: Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko? 49 Dia naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko. 50 Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.051