Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

1 Tamin'izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina.

2 Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. 3 Ary nilaza zavatra maro tamin'ireo tamin'ny fanoharana izy nanao hoe: Indro nivoaka hamafy ny mpamafy; 4 ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy; 5 ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; 6 kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. 7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; 8 ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enim-polo, ary ao ny telo-polo. 9 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 10 Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?

11 Namaly izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. 12 Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. 13 Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; 14 ka tanteraka aminy ilay faminanian'Izaia manao hoe: Handre amin'ny sofinareo hianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin'ny masonareo fa tsy hahita; 15 fa ny fon'ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko. 16 Fa hianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. 17 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre. 18 Koa henoy ary ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny mpamafy.

19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakan'Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. 20 Ary ilay nafafy tamin'ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin'izay, 21 nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 22 Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. 23 Fa ilay nafafy tamin'ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo heny. 24 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy, nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin'ny taniny;

25 fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan'ahi-dratsy tamin'ny vary, dia lasa. 26 Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin'ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa? 28 Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy. 29 Tsia, hoy izy, fandrao hogontanareo mbamin'ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy hianareo. 30 Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary. 31 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voan-tsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.

32 Kely indrindra amin'ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin'ny rantsany. 33 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra.

34 Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, 35 mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao. 36 Tamin'izay, nony efa nampody ny vahoaka izy, dia mba nody, ary nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny ahi-dratsy.

37 Ary namaly izy ka nilaza taminy hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak'ilay ratsy; 39 ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny anjely. 40 Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin'ny afo no hatao raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. 41 Haniraka ny anjeliny ny Zanak'olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin'ny fanjakany, 42 ka hanipy azy ao amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 43 Amin'izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana. 44 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.

45 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.

46 Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy. 47 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;

48 rahefa feno izy dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. 49 Dia ho tahaka izany koa raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, 50 ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0487