Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 13, 1-23
Ny voa nafafy - Ny ahi-dratsy - Ny voantsinapy - Ny lalivay - Ny rakitra - Ny harato.
1Tamin'izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. 2Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. 3Ary nilaza zavatra maro tamin'ireo tamin'ny fanoharana izy nanao hoe: Indro nivoaka hamafy ny mpamafy; 4ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy; 5ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; 6kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. 7Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; 8ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enim-polo, ary ao ny telo-polo. 9Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.
10Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? 11Namaly izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. 12Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. 13Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; 14ka tanteraka aminy ilay faminanian'Izaia manao hoe: Handre amin'ny sofinareo hianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin'ny masonareo fa tsy hahita; 15fa ny fon'ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko. 16Fa hianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. 17Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.
18Koa henoy ary ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny mpamafy. 19Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakan'Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. 20Ary ilay nafafy tamin'ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin'izay, 21nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 22Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. 23Fa ilay nafafy tamin'ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo heny. >