Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 13, 44-52

       <44Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.
       45Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. 46Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
       47Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao; 48rahefa feno izy dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. 49Dia ho tahaka izany koa raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, 50ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 51Efa azonareo va izany? Eny, hoy izy ireo taminy. 52Dia nanampy teny indray izy nanao hoe: Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin'ny fanjakan'ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin'ny fitoeran-drakiny. >