Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-14

1 Tamin'izany andro izany, dia ren'i Heroda tetrarka ny lazan'i Jesoa;

2 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Joany Batista izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro. 3 Fa Heroda efa nampisambotra an'i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny. 4 Satria Joany nilaza taminy hoe: Tsy mahazo manambady io hianao. 5 Nitady hamono azy Heroda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny olona fa mpaminany Joany. 6 Ary tamin'iny andro nankalazana ny nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehan'ny olona nasaina ny zanakavanin'i Herodiada, ka nahafaly an'i Heroda. 7 Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. 8 Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: Omeo ahy eto amin'ny lovia ny lohan'i Joany Batista. 9 Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; 10 ary naniraka nampanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina izy. 11 Dia nentina tamin'ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. 12 Nalain'ny mpianatr'i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin'i Jesoa. 13 Nony nandre izany Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an'efitra; fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin'ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.

14 Rahefa niala tao an-tsambo izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy. 15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin'ny vohitra. 16 Fa hoy Jesoa taminy: Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina. 17 Dia hoy ireo taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay. 18 Ento atý amiko izany, hoy izy taminy. 19 Dia nasainy nipetraka tamin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain'ny mpianany tamin'ny vahoaka. 20 Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo. 21 Nefa dimy arivo lahy no isan'ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy. 22 Dia nodidian'i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, sy hita hialoha azy ambara-pandravany ny vahoaka;

23 ary rahefa nampirava ny vahoaka izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia izy irery no teo. 24 Tamin'izay ny sambo kely dia nahilangilan'ny onjan-drano teny afovoan'ny ranomasina, fa nanoha rivotra. 25 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny rano Jesoa ka nankeo amin'izy ireo. 26 Fa nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: Matoatoa io, sady niantsoantso izy noho ny tahony. 27 Niaraka tamin'izay dia niteny taminy Jesoa nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra. 28 Namaly Piera nanao hoe: Raha hianao ary; Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho. Avia, hoy izy. 29 Dia nidina avy eny an-tsambo Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin'i Jesoa. 30 Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: Tompo ô! vonjeo aho. 31 Niaraka tamin'izay naninji-tànana Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? 32 Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. 33 Tamin'izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona azy sy nitsaoka azy nanao hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa hianao. 34 Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin'ny tanin'i Genesareta; 35 ka nony nahafantatra azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin'ny tany manodidina rehetra, ka nentin'ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra, 36 ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr'akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379