Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 16, 13-20

       <13Ary nony tonga tany amin'ny faritany atao hoe: Sezarean'i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona? 14Ary hoy ireo: Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin'ny mpaminany. 15Dia hoy Jesoa taminy: Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho? 16Namaly Simona Piera ka nanao hoe: Hianao no Kristy zanak'Andriamanitra velona. 17Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. 20Ary tamin'izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin'ny olona fa izy no Kristy. >