Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 16, 21-27

       <21Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema izy, ary ho ampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin'ny maty rahefa afaka hateloana. 22Ary naka azy hitanila kely Piera ka niteny azy mafy hoe: Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany! 23Fa nihodina izy ka nilaza tamin'i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr'Andriamanitra, fa araka ny an'ny olona.
       24Ary tamin'izay Jesoa dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy. 25Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26Inona no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27Fa ny Zanak'olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy. >