Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-18

1 Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra?

2 Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, 3 ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. 4 Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5 Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa. 6 Fa izay hanafintohina anankiray amin'ireny madinika mino ahy ireny kosa, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin'ny vozony, ka halentika any anatin'ny ranomasina izy. 7 Loza ho an'izao tontolo izao noho ny fanafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny anafintohinana, kanefa loza ho an'izay ihavian'ny fanafintohinana! 8 Koa raha ny tànanao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario lavitra anao, fa aleo tapa-tànana na tapa-tongotra an'ila miditra any amin'ny fiainana hianao, toy izay manana tànana roa na tongotra roa, very any amin'ny afo mandrakizay. 9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory ka ario lavitra anao, fa aleo toka-maso miditra any amin'ny fiainana hianao toy izay mana-maso roa hariana any amin'ny gehen'afo. 10 Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra.

11 Fa ny Zanak'olona dia tonga hamonjy ny very. 12 Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? 13 Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. 14 Toy izany koa, tsy tian'ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza. 15 Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;

16 fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon'ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. 17 Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikàna. 18 Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany dia ho voavaha any an-danitra. 19 Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin'ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany. 20 Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany aho. 21 Ary tamin'izay, nanatona azy Piera nanao hoe: Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny impito va?

22 Dia hoy Jesoa taminy: Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito-polo fito. 23 Koa amin'izany, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin'ny mpanompony:

24 ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. 25 Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. 26 Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra. 27 Nangoraka ny fon'ilay tompon'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. 28 Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin'ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: Aloavy ny trosako any aminao. 29 Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra. 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. 31 Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin'ny tompony. 32 Dia nampanalain'ny tompony izy ka nilazany hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho hianao nifona tamiko; 33 ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin'ny namanao va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34 Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. 35 Dia ho tahaka izany koa no hataon'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1044