Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 18, 15-20
<15Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; 16fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon'ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. 17Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikàna. 18Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany dia ho voavaha any an-danitra. 19Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin'ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany. 20Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany aho. >