Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 18, 21-35

       <21Ary tamin'izay, nanatona azy Piera nanao hoe: Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny impito va? 22Dia hoy Jesoa taminy: Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito-polo fito.
       23Koa amin'izany, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin'ny mpanompony: 24ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. 25Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. 26Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra. 27Nangoraka ny fon'ilay tompon'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. 28Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin'ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: Aloavy ny trosako any aminao. 29Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra. 30Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. 31Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin'ny tompony. 32Dia nampanalain'ny tompony izy ka nilazany hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho hianao nifona tamiko; 33ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin'ny namanao va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. 35Dia ho tahaka izany koa no hataon'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo. >