Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-19

1 Rahefa avy niteny izany Jesoa, dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin'i Jodea, andafin'i Jordany.

2 Vahoaka be dia be no nanaraka azy, ary nanasitrana ny marary teo izy. 3 Ary nisy Farisiana nanatona azy mba haka fanahy azy, ka nanao hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony? 4 Dia hoy izy namaly azy ireo: Tsy novakinareo va fa izay nahary ny olona tamin'ny voalohany dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: 5 Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? 6 Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'ny olona. 7 Ka nahoana Moizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? 8 Dia hoy izy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanomezan'i Moizy lalàna anareo hisao-bady; fa hatramin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. 9 Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manam-bady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa. 10 Raha izany no toetran'ny lehilahy amin'ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady. 11 Ary hoy izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. 12 Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon'ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray. 13 Tamin'izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tànana sy hivavahany ho azy; fa noraran'ny mpianany mafy ireo.

14 Ka hoy Jesoa taminy: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra. 15 Ary rahefa nametra-tànana tamin'izy ireo izy, dia nizo-dàlana indray. 16 Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

17 Dia hoy izy namaly azy: Ahoana ary no iantsoanao ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy. 18 Didy inona avy? hoy izy. Dia hoy Jesoa: Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, 19 manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 20 Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko? 21 Ary hoy Jesoa taminy: Raha tany tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22 Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo, satria be ny fananany. 23 Ary dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.

24 Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. 25 Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: Koa iza ihany ary no mety ho voavonjy? 26 Nijery azy ireo Jesoa, ka nanao hoe: Tsy hain'olombelona izany, fa vitan'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 27 Namaly Piera ka nanao taminy hoe: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka anao, ka inona ary no ho azonay?

28 Hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin'ny andro fanavaozana, ny Zanak'olona dia hipetraka eo amin'ny fiketrahan'ny fiandrianany; ary hianareo izay nanaraka ahy koa hipetraka amin'ny fiketrahana roa ambin'ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin'ny folo amin'Israely. 29 Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. 30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371