Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 2, 1-12
Ny nitsaohan'ny Majy an'i Jesoa-Kristy - Ny nandosirana tany Ejipta - Ny namonoana ny zazakely.

       1Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jesoa tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema 2nanao hoe: Aiza ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankaty mba hitsaoka azy. 3Raha nahare izany Heroda mpanjaka, dia taitra izy mbamin'i Jerosalema rehetra, 4ka namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: Aiza no hahaterahan'ny Kristy? 5Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: 6Ary hianao, ry Betlehema tanin'i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin'ny renivohitr'i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan'ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko. 7Dia nalain'i Heroda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan'ny kintana taminy. 8Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: Andeha ka fotopotory tsara ny amin'ilay Zaza; ary rahefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka azy. 9Ary rahefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa.
Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zaza. 10Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, 11ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. 12Ary rahefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Heroda, dia làlan-kafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany. >