Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 20
Ny fanoharana amin'ny tanim-boaloboka sy ny mpiasa - Voalazan'i Jesoa indray ny hijaliany - Ny fangatahana nataon'ny zanak'i Zebede - Ny jamba roalahy teo akaikin'i Jerikao.
1Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. 2Ary rahefa nifanaiky tamin'ny mpiasa izy fa denie iray avy isan'andro ny karamany, dia nasainy hankany amin'ny tanim-boalobony izy ireo. 3Ary nivoaka izy tamin'ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonanà-poana teny an-kianja; 4ka andeha koa hianareo, hoy izy taminy, mankany amin'ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antoniny. 5Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin'ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. 6Ary dia nivoaka koa izy tamin'ny ora faharaika ambin'ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no midonanà-poana eto mandritra ny andro? 7Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa hianareo mankany amin'ny tanim-boaloboko.
8Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin'ny farany, ka hatrany amin'ny voalohany. 9Dia nanatona izay nilatsaka tamin'ny ora faharaika ambin'ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. 10Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. 11Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano 12nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. 13Dia izao no navalin'ny tompo ny anankiray tamin'izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? 14Alao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an'ilay farany toraka ny anao koa. 15Tsy mahazo manao izay tiako amin'izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? 16Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.
17Ary nalain'i Jesoa mangingina ny mpianany roa ambin'ny folo, tamin'izy niakatra ho any Jerosalema ka nilazany hoe: 18Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'olona dia hatolotra amin'ny lohandohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka azy ho faty, 19ka hanolotra azy amin'ny jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin'ny hazo fijaliana; fa hitsangana indray izy amin'ny andro fahatelo.
20Ary tamin'izany nanatona azy ny renin'ny zanak'i Zebede mbamin'ny zanany lahy, ka nitsaoka azy ary nangataka zavatra taminy. 21Inona no irinao, hoy Jesoa taminy? Dia hoy izy: Aoka ireto zanako roalahy ireto mba hipetraka eo an-kavananao ny anankiray ary eo an-kavianao ny anankiray, ao amin'ny fanjakanao. 22Dia hoy ny famalin'i Jesoa: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroko va hianareo? Efanay ihany, hoy ireo taminy. 23Ary hoy izy taminy: Raha ny amin'ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin'ny hipetraka eo an-kavanako sy eo an-kaviako kosa, dia tsy ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran'ny Raiko azy. 24Fa nasain'i Jesoa hanatona azy izy ireo, ka nilazany hoe: Fantatrareo fa ny mpanjakan'ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy fatratra. 25Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanomponareo izy, 26Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'izy mirahalahy. 27ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo: 28dia tahaka ny Zanak'olona izany; fa izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.
29Nony niala teo Jerikao izy dia narahin'ny vahoaka maro. 30Ary indreo nisy jamba roalahy nipetraka teo amoron-dàlana: nony reny fa nandalo Jesoa, dia niantso mafy izy ireo nanao hoe: Ry Tompo, Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay. 31Norahonan'ny vahoaka izy ireo mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: Ry Tompo, Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay. 32Dia nijanona Jesoa, sady niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo? 33Tompo ô, ny mba hampahiratanao ny masonay, hoy ireo taminy. 34Nangoraka azy ireo Jesoa, ka nanendry ny masony. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy. >