Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-22

1 Dia niteny indray Jesoa nanao fanoharana tamin'ireo hoe:

2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany lahy, 3 ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin'ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. 4 Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin'ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin'ny fampakaram-bady hianareo. 5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin'ny sahany, ny iray nankany amin'ny varony; 6 ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny. 7 Dia hoy izy tamin'ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin'ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. 8 Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. 9 Koa mandehana hianareo any amin'ny fihaonan-dàlana, ary asao ho atý amin'ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. 10 Dia niely eran'ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. 11 Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady, 12 dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana hianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; 13 ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tànany, ka ario any amin'ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 14 14 Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina. 15 Ary tamin'izay dia lasa ny Farisiana niray tetika hamandrika azy amin'ny teniny.

16 Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin'ny Herodiana ho any aminy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao, ary mampianatra ny lalàn'Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan'olona hianao. 17 Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin'ity: mety va ny mandoa hetra ho an'i Sezara sa tsia? 18 Fa Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana hianareo no maka fanahy ahy? 19 Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin'ny hetra: dia nanasehoany denie iray izy. 20 Ary hoy Jesoa taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza ity? 21 An'i Sezara, hoy ireo. Raha izany àry, hoy izy, dia aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. 22 Gaga ireo nony nandre izany, ka nandao azy dia lasa. 23 Tamin'io andro io ihany koa dia nisy Sadoseana, izay mandà ny fitsanganan'ny maty, tonga nanatona azy sy nanontany azy hoe:

24 Ry Mpampianatra ô, Moizy nilaza hoe: Raha misy lehilahy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. 25 Koa tany aminay nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny lahimatoa dia maty, ka noho izy tsy niteraka, dia navelany ho an'ny zandriny ny vadiny. 26 Ary toy izany koa no nitranga tamin'ilay faharoa sy fahatelo ka hatramin'ny fahafito; 27 ary faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 28 Raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty, iza amin'izy fito mirahalahy no ho tompom-bady? fa samy nanambady azy izy rehetra. 29 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Diso hevitra hianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Fa raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny anjelin'Andriamanitra any an-danitra izy ireo. 31 Ary ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain'Andriamanitra taminareo hoe: 32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona. 33 Gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianarany izany. 34 Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra;

35 ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe: 36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany. 41 Ary raha mbola nivory teo ny Farisiana, dia nanontanian'i Jesoa hoe:

42 Ahoana ny hevitrareo ny amin'ny Kristy? Zanak'iza izy? Zanak'i Davida, hoy ireo taminy. 43 Ka nahoana ary Davida, hoy izy tamin'ireo, raha tsindrian'ny Fanahy Masina no miantso azy ho Tompo, fa hoy izy hoe: 44 Andriamanitra nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao ambara-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? 45 Raha antsoin'i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? 46 Tsy nisy nahavaly azy na dia teny iray akory aza; ka hatramin'izay dia tsy nisy sahy nanontany azy intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899