Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 22, 1-14
Ny fampakaram-badin'ny zanak'ilay mpanjaka - Ny fandoavan-ketra - Ny hitsanganana amin'ny maty - Ny didy lehibe.
1Dia niteny indray Jesoa nanao fanoharana tamin'ireo hoe: 2Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany lahy, 3ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin'ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. 4Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin'ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin'ny fampakaram-bady hianareo. 5Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin'ny sahany, ny iray nankany amin'ny varony; 6ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny. 7Dia hoy izy tamin'ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin'ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. 8Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. 9Koa mandehana hianareo any amin'ny fihaonan-dàlana, ary asao ho atý amin'ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. 10Dia niely eran'ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. 11Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady, 12dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana hianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; 13ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tànany, ka ario any amin'ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 1414 Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina. >