Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-23

1 Tamin'izay dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany Jesoa

2 nanao hoe: Efa mipetraka eo amin'ny fipetrahan'i Moizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana; 3 ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. 4 Fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany akory aza. 5 Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. 6 Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin'ny sinagoga, 7 ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. 8 Fa hianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa hianareo rehetra. 9 Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. 10 Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia ny Kristy. 11 Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; 12 fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra. 13 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.

14 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan'ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo. 15 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, noho hianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo hianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen'afo mihoatra indroa noho hianareo. 16 Loza ho anareo, ry mpitari-dàlana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianina amin'ny volamena izay ao amin'ny tempoly, dia voafehy izy.

17 Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? 18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny otely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. 19 Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny otely izay mahamasina ny fanatitra? 20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny otely, dia mianiana aminy sy amin'izay rehetra eo amboniny; 21 izay rehetra mianiana amin'ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin'ilay mitoetra ao anatiny; 22 ary izay mianiana amin'ny lanitra, dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, sy amin'izay mipetraka eo amboniny. 23 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin'ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

24 Ry mpitari-dalàna jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! 25 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana. 26 Ry Farisiana jamba, diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony. 27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy hianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. 28 Toy izany koa, hianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason'ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan'ny mpaminany hianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton'ny olo-marina 30 ka manao hoe: Raha izahay no mba tamin'ny andron'ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran'ny mpaminany izahay. 31 Koa amin'izany ny tenanareo ihany no mitsanga-ko vavolombelona fa zanak'izay namono ny mpaminany hianareo. 32 Fenoy àry ny famaran'ny razanareo! 33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin'ny gehen'afo?

34 Koa amin'izany, indro fa anirahako mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna hianareo; fa ny sasany hovonoinareo sy hofantsihanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny sinagoganareo sy hoenjehinareo amin'izay tanàna halehany, 35 mba hanody anareo avokoa ny ra marina nalatsaka teto ambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela lehilahy marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny otely. 36 Izaho milaza marina aminareo fa tsy maintsy hihatra amin'ity taranaka ity izany rehetra izany. 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan'ny reniakoho ny zanany eo ambanin'ny elany, fa tsy nety hianao? 38 Indro fa avela aminareo ho trano lao ny tranonareo. 39 Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony hianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913