Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-24

1 Nony nivoaka avy tao amin'ny tempoly Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona azy ny mpianany hampijery azy ny rafitry ny tempoly;

2 fa namaly izy ka nanao taminy hoe: Hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanongoa eo izay tsy horavana. 3 Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva izy, dia nanatona azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao anay izay andro hahatongavan'izany, sy ny famantarana ny hahiavianao mbamin'ny hahataperan'izao tontolo izao. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo, 5 fa maro no ho ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany. 6 Handre ady sy filazana ady hianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany. 7 Ho hita fa hitsanga-kiady amin'ny firenena ny firenena, ary amin'ny fanjakana ny fanjakana; hisy areti-mifindra sy mosary ary horohoron-tany amin'ny tany samihafa; 8 fa vao ho fiantombohan'ny fahoriana fotsiny izany rehetra izany. 9 Amin'izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina hianareo, ary ho hàlan'ny firenena rehetra noho ny anarako.

10 Amin'izany andro izany koa, dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro. 12 Ary noho ny habetsahan'ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro; 13 fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany. 15 Rahefa hitanareo voatsangana amin'ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain'i Daniely mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky), 16 dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra, 17 ary izay any ambony tafontrano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony, 18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny fitafiany. 19 Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely, amin'izany andro izany. 20 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny sabata no handosiranareo. 21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony; 22 ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany. 23 Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro atý ny Kristy, na hoe: arý izy, aza mino hianareo. 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany. 25 Indro voalazako aminareo rahateo izany. 26 Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an'efitra izy, aza mankany hianareo; indro any amin'ny efi-trano mangingina izy, aza mino izany. 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 28 Fa na aiza na aiza hitoeran'ny faty, any no hiangonan'ny voromahery. 29 Ary raha vao afaka izany andron'ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin'ny lanitra.

30 Amin'izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran'ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe. 31 Haneno mafy ny trompetra, dia haniraka ny anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny fara vodilanitra rehetra. 32 Makà fanoharana amin'ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. 33 Dia toy izany koa, rahefa hitanareo izany rehetra izany, fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana ny Zanak'olona. 34 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan'izany rehetra izany. 35 Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 36 Fa ny amin'izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny anjelin'ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany.

37 Fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38 Fa tamin'ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, 39 ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Amin'izany, amin'ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; 41 amin'ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. 42 Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hihavian'ny Tomponareo.

43 Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. 44 Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona. 45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren'ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin'ny fotoany? 46 Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; 47 lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48 Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, 49 ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, 50 dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871