Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-25

1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.

2 Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; 3 ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika; 4 fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika. 5 Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory. 6 Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy hianareo. 7 Tamin'izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. 8 Ary hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay. 9 Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, hoy ny navalin'ny hendry azy; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo. 10 Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. 11 Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. 12 Fa hoy ny navaliny azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory hianareo. 13 Koa miambena hianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. 14 Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.

15 Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. 16 Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. 17 Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; 18 fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony. 19 Nony ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin'ny volany.

20 Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho. 21 Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. 22 Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho. 23 Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. 24 Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: Tompoko, fantatro fa olona lozabe hianao, fa mijinja amin'izay tsy namafazanao, ary manangona amin'izay tsy nanahafanao, 25 ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin'ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao. 26 Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona amin'izay tsy nanahafako; 27 koa tokony ho napetrakao tany amin'ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. 28 Alao ary ny talenta folo; 29 fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin'izay ananany aza. 30 Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin'ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 31 Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy;

32 ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33 ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. 34 Amin'izay ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. 35 Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; 36 tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. 37 Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? 38 Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? 39 Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko. 41 Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: MialĂ  amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny.

42 Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; 43 nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. 44 Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? 45 Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. 46 Dia ho any amin'ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.111