Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 26
Ny teti-dratsin'ny loholona - Tao an-tranon'i Simona ilay boka - Jodasy mpamadika - Ny namoronana ny Eokaristia - Jesoa tao Getsemaný sy teo anatrehan'i Kaifa.

       1Ary rahefa tapi-niteny izany rehetra izany Jesoa, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: 2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak'olona hatolotra hofantsihana amin'ny hazo fijaliana. 3Tamin'izay dia nivory tao an-tranon'ny lehiben'ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona, 4ary niara-nioko hisambotra an'i Jesoa am-pitaka, sy hamono azy izy ireo; 5kanefa aoka tsy ho amin'ny andro fety, hoy izy ireo, fandrao mitabataba ny vahoaka.
       6Ary nony tany Betania Jesoa, tao an-tranon'i Simona boka, 7dia nisy vehivavy anankiray nanatona azy, nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra saro-bidy, sy nanidina izany tamin'ny lohany raha mbola nipetraka nihinana izy. 8Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: Nahoana re iny no lanina foana toy izao? 9nefa lafo be iny raha namidy ka homena ny mahantra. 10Nahalala izany Jesoa, ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no manao ny mpampalahelo an-dravehivavy io? Asa soa izay vao nataony tamiko: 11ny mahantra moa dia misy eto aminareo mandrakariva, fa izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva. 12Izy no mampidina izany zava-manitra izany tamiko, dia ny mba handevenana ahy no nanaovany an'izany. 13Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin'izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy ho fankalazana azy.
       14Ary tamin'izay ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy atao hoe Jodasy Iskariota nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona, 15ka nanao taminy hoe: Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo izy? Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. 16Hatramin'izay dia nikendry izay hamadihana azy izy.
       17Ary tamin'ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka? 18Dia hoy Jesoa taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. 19Nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. 20Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin'ny mpianany roa ambin'ny folo lahy. 21Teo am-pihinanana dia hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy. 22Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko? 23Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika ahy. 24Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an'izay olona hamadika ny Zanak'olona! tsara ho azy ny tsy teraka. 25Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao.
       26Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy izy: Raiso ary hano; ity no vatako. 27Rahefa izany, dia nandray ny kalisy izy, ary rahefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: Isotroinareo rehetra ity; 28fa ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka. 29Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin'itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-pihavin'ny andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
       30Ary rahefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitry ny Oliva. 31Dia hoy Jesoa taminy: Ho tafintohina noho ny amiko hianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana; 32fa rahefa tafatsangana aho, dia hialoha anareo any Galilea. 33Fa Piera namaly hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana. 34Ary hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao. 35Fa hoy Piera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà anao. Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
       36Tamin'izay Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemaný, ary hoy izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto hianareo, raha mbola mankany hivavaka aho. 37Ary nitondra an'i Piera sy izy roalahy zanak'i Zebede hiaraka aminy izy, dia nanomboka nozoin'alahelo sy fahoriana mafy. 38Ka hoy izy tamin'ireo: Ory ny fanahiko ka ila hahafaty ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko. 39Ary nony nandroso kely izy, dia nihohoka tamin'ny tany ka nivavaka nanao hoe: Raiko, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny anao. 40Dia nankeo amin'ny mpianany izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy izy tamin'i Piera: Hay hianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory? 41Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy hianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa. 42Dia nandeha fanindroany izy ka nivavaka hoe: Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao. 43Ary niverina izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony; 44dia nilaozany ireo ka nandeha indray izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny. 45Izay vao nankeo amin'ny mpianany izy ka nanao taminy hoe: Matoria amin'izao hianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona. 46Mitsangàna hianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika ahy.
       47Raha mbola niteny izany izy, dia indro tamy Jodasy isan'ny roa ambin'ny folo lahy, arahin'ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona. 48Efa nomen'ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: Izay horohako no izy, ka sambory. 49Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa izy ka nanao hoe: Arahaba, Raby; dia nanoroka azy. 50Ary hoy Jesoa: Ry sakaiza, haninona aty hianao? Tamin'izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an'i Jesoa sy nihazona azy. 51Ary indro ny anankiray amin'izay teo amin'i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila. 52Fa hoy Jesoa taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra. 53Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko aho, ka haniraka anjely tsy omby lejiona roa ambin'ny folo izy ho eto amiko? 54Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao? 55Ary tamin'izay dia hoy Jesoa tamin'ireo vahoaka ireo: Mova tsy ny hisambotra jiolahy hianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy; nipetraka isan'andro teo aminareo aho, nampianatra teo an-tempoly, nefa tsy nosamborinareo; 56fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany. Ary tamin'izay dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
       57Ary izay nisambotra an'i Jesoa dia nitondra azy tany amin'i Kaifa lehiben'ny mpisorona, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona. 58Nanaraka azy teny lavidavitra teny Piera, hatrany an-tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany. 59Tamin' izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an'i Jesoa hamonoana azy, 60fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga, 61ka nanao hoe: Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra aho, ary mahay manangana azy amin'ny hateloana indray. 62Dia nitsangana ilay lehiben'ny mpisorona, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy valianao izany fiampangan'ireo anao izany? 63Fa tsy niteny Jesoa. Ary hoy ilay lehiben'ny mpisorona taminy: Mandidy anao amin'ny anaran'Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra. 64Dia hoy Jesoa taminy: Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any hianareo hahita ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra be fahefana sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. 65Tamin'izay dia notriarin'ilay lehiben'ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: Niteny ratsy an'Andriamanitra izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an'Andriamanitra: 66ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika ho faty izy. 67Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry izy; 68ary ny sasany sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Vinanio, ry Kristy, iza no namely anao?
       69Tamin'izany Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Galileana; 70fa nolaviny teo anatrehan'izy rehetra izany ka hoy izy: Tsy fantatro izay lazainao. 71Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan'ny ankizivavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin'ny olona teo hoe: Ity koa naman'i Jesoa Nazareana; 72fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany. 73Nony afaka kelikely dia nohatonin'ny olona teo Piera, ka nilazany hoe: Marina tokoa raha tsy namany hianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany. 74Ary tamin'izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin'izay naneno ny akoho, 75ka tsaroan'i Piera ny tenin'i Jesoa nanao hoe: Alohan'ny maneno akoho, handà ahy intelo hianao. Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra. >