Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 3, 1-12
Ny batemy sy ny toriteny nataon'i Joany Batista - Ny nanaovany batemy an'i Jesoa-Kristy.

       1Ary tamin'izany andro izany dia niseho Joany Batista, nitory teny tany an'efitr'i Jodea 2nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 3Izy no ilay voalazan'Izaia mpaminany hoe: Re ny feon'izay miantso any an'efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany. 4Akanjo volon-drameva no fitafian'io Joany io, fehikibo hoditra no tamin'ny valahany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. 5Ary nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin'ny tany manodidina an'i Jordany; 6ka nony efa niaiky ny tahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin'ny ony Jordany.
       7Ary raha nahita ny Farisiana sy ny Sadoseana betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara, 9ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo. 11Izaho dia manao batemy anareo amin'ny rano, ho amin'ny fibebahana; fa ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; izy no hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 12eny an-tànany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloany, ka ny variny hangoniny any an-tsopitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin'ny afo tsy mety maty. >