Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-4

1 Ary tamin'izay dia nentin'ny Fanahy nankany an'efitra Jesoa, mba halain'ny demony fanahy;

2 ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina izy, ka noana nony afaka izany. 3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, asaovy ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 Fa namaly izy ka nanao hoe: Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra. 5 Tamin'izay dia nitondra azy nankany amin'ny tanàna masina ny demony ka nametraka azy teo an-tampon'ny tempoly, 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: Ny anjeliny no nametrahany anao, ary izy ireo hitondra anao eo an-tànany, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 7 Fa hoy Jesoa taminy: Efa voasoratra koa fa: Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao. 8 Dia nentin'ny demony nankany ambonin'ny tendrombohitra avo dia avo indray izy, ka nasehony azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, 9 ary hoy izy taminy: Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko hianao. 10 Fa izao no navalin'i Jesoa azy: Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao. 11 Tamin'izay dia nandao azy ny demony, ary indreo nisy anjely tonga teo aminy ka nanompo azy. 12 Ary nony ren'i Jesoa fa natao an-tranomaizina Joany, dia lasa izy nankany Galilea;

13 ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin'ny sisin-tanin'i Zabolona sy Neftalì ka nonina tao, 14 mba ho tanteraka ny teny nolazain'Izaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'i Zabolona sy ny tanin'i Neftalì, ny làlana ao amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordany, i Galilean'ny jentily: 16 ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava. 17 Hatramin'izay dia nanomboka nitory teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 18 Ary raha nitsangatsangana teny amoron-dranomasin'i Galilea Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia Simona ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

19 Dia hoy izy taminy: Avia hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 20 Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy. 21 Dia mbola nandroso ihany izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. 22 Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy. 23 Ary Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nampianatra tao amin'ny sinagogan'ny olona, sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

24 Dia niely eran'i Siria manontolo ny lazany, ka nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon'ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin'ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. 25 Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapaoly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin'i Jordany no nanaraka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1413