Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 4, 12-23
<12Ary nony ren'i Jesoa fa natao an-tranomaizina Joany, dia lasa izy nankany Galilea; 13ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin'ny sisin-tanin'i Zabolona sy Neftalì ka nonina tao, 14mba ho tanteraka ny teny nolazain'Izaia mpaminany hoe: 15Ny tanin'i Zabolona sy ny tanin'i Neftalì, ny làlana ao amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordany, i Galilean'ny jentily: 16ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava. 17Hatramin'izay dia nanomboka nitory teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
18Ary raha nitsangatsangana teny amoron-dranomasin'i Galilea Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia Simona ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 19Dia hoy izy taminy: Avia hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 20Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy. 21Dia mbola nandroso ihany izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. 22Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy.
23Ary Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nampianatra tao amin'ny sinagogan'ny olona, sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona. >