Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 5
Ny fahasambarana valo - Ny fanasin'ny tany - Ny amin'ny fahatezerana, ny fanambadiana, ny fianianana, ny fitiavana ny fahavalo.
1Ary nony nahita ny vahoaka Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rahefa tafapetraka izy, dia nanatona azy ny mpianany, 2ka niloa-bava izy nampianatra azy, nanao hoe: 3Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. 5Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. 6Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. 7Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. 8Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. 9Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. 10Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 11Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: 12mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
13Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin'ny olona. 14Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, 15ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa eo ambonin'ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16Aoka hazava eo imason'ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
17Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany; tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka. 18Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. 19Koa amin'izany, izay handika ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory hianareo.
21Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin'ny fitsarana. 22Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin'ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin'ny Sanedrina; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin'ny gehen'afo. 23Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, 24dia avelao eo amin'ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehàna mihavana amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. 25Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dàlana hianareo, fandrao atolotr'izay manana ady aminao amin'ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin'ny mpamototra, ka hatao an-tranomaizina hianao. 26Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.
27Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga. 28Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. 29Koa raha ny masonao an-kavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. 30Ary raha ny tànanao an-kavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. 31Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. 32Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.
33Ary efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianiana tsy tò, fa efao amin'ny Tompo ny fianiananao. 34Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izy; 35na amin'ny tany, fa fandiavan'ny tongony izy; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izy; 36na amin'ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao. 37Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ilay ratsy.
38Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. 39Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao an-kavanana, dia atolory azy koa ny ilany; 40ary raha misy te-hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; 41ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. 42Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
43Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao hianao ary hankahala ny fahavalonao. 44Fa izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin'izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika sy manendrikendrika anareo; 45mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra hianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikàna aza tsy manao izany koa? 47Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin'ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? 48Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. >