Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 5, 1-12
Ny fahasambarana valo - Ny fanasin'ny tany - Ny amin'ny fahatezerana, ny fanambadiana, ny fianianana, ny fitiavana ny fahavalo.
1Ary nony nahita ny vahoaka Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rahefa tafapetraka izy, dia nanatona azy ny mpianany, 2ka niloa-bava izy nampianatra azy, nanao hoe: 3Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. 5Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. 6Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. 7Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. 8Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. 9Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. 10Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 11Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: 12mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. >