Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-6

1 Tandremo sao hataonareo eo imason'ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany dia tsy hahita valisoa amin'ny Rainareo izay any an-danitra hianareo.

2 Koa amin'izany raha manao fiantrana hianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy ao amin'ny sinagoga sy eny an-dàlambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. 3 Fa raha manao fiantrana hianao, aoka ny tànanao havia tsy hahalala izay ataon'ny havanana, 4 mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. 5 Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin'ny sinagoga sy eny an-joron-dàlana, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

6 Fa hianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy hianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. 9 Koa mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, 10 ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; 12 avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, 13 ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amena. 14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona hianareo, dia havelan'ny Rainareo any an-danitra koa; 15 fa raha tsy mamela ny hadisoan'ny olona kosa hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo koa ny hadisoanareo. 16 Ary raha mifady hanina hianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan'ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

17 Fa hianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, 18 mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin'ny mangingina; ary ny rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao. 19 Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;

20 fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. 21 Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa. 22 Ny maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; 23 fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin'ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany! 24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola hianareo.

25 Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? 26 Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? 27 Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? 28 Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Zahao ny fanirin'ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamboly ireny; 29 kanefa lazaiko aminareo, fa na dia Salomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 30 Ka raha toy izany no fanafin'Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? 31 Noho izany, aza manahy hianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? 32 Fa ny jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. 33 Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany hianareo ho fanampiny. 34 Ary aza manahy ny ho ampitso hianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795