Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 6, 24-34
<24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola hianareo. 25Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? 26Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? 27Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? 28Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Zahao ny fanirin'ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamboly ireny; 29kanefa lazaiko aminareo, fa na dia Salomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 30Ka raha toy izany no fanafin'Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? 31Noho izany, aza manahy hianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? 32Fa ny jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. 33Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany hianareo ho fanampiny. 34Ary aza manahy ny ho ampitso hianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy. >